Sosialy

Reniranon’i Fatihita Nasaina nody ireo mpitrandraka volamena


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Hosakanana ny fitrandrahana volamena any amin’ny Reniranon’I Fatihita Faritra Amoron’I Mania. Nanambara ny governora Rtoa Aline Mamiarisoa omaly,

fa fitrandrahana tsy ara-dalàna no misy, ka tsy maintsy atsahatra. Nomena toromarika hody hamonjy ny faritra nihaviany avy ireo olona tonga mirohotra hitrandraka volamena any amin’ny Reniranon’I Fatihita ity. Tao anatin’ny andro maromaro no nirohotra ny olona fa hoe misy volamena ao. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ihany koa ny Fiadidiam-paritry ny harena an-kibon’ny tany. Vetivety dia tonga ny olona amin’ny resaka fisiana harena an-kibon’ny tany toa itony, saingy mihazakazaka toy izany ihany koa ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Ahiana ny hisian’ny fitrandrahana antsokosoko raha vao tsy ampy sy tsy hentitra ny fanaraha-maso. Irariana ihany koa ny tsy hisian’ny tsikombakomba amin’izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT