Sosialy

Reniranon’i Fatihita Mirohotra mitrandraka volamena ny olona


  • Talata 23 Novambra 2021

Tao anatin'ny volana maromaro izay dia nisy olona vitsivitsy teny amin'ny manodidina an'i Fatihita nanivana volamena tao amin'ity renirano manamorana ny lalàmpirenena faha-7

 ity izay tsy lavitra ny tanànan'Ambositra, raha ny fanamarihana avy any an-toerana. Tao anatin'ny herinandro anefa izany dia niha niely ny feo, fa misy volamena amin’ity renirano ity, hany ka nirongatra izay tsy izy ny olona tonga mitrandraka izany. Loza mitatao amin’ny tontolo iainana anefa io satria hiteraka faharavana sy fahasimban'ny tontolo manamorana an'ity renirano sy renirano mihitsy, hoy ny fanamarihana. Ny rano efa manomboka ritra noho ny tsy fisian'ny orana dia tonga indray ireto andian'olona marobe ireto hangadingady lavaka manamorona ny sisin'ny renirano sy ao anaty rano. Asa izay ho fanapahan-kevitry ny fahefam-panjakana isan'ambaratongany manoloana ity fitrandrahana volamena ao amin'ny reniranon'i Fatihita ity. Samy hanana ny fijeriny araka ny laka hitsinjovany avy mantsy hoe: avelao izahay mba hitady fa krizy izao, ny asa tsy misy,… Ny fiantraikany anefa mety hiteraka fahapotehana lehibe ny fisiana fitrandrahana tsy ara-dalàna sy gaboraraka, ary tsy tanety na toerana tsotra fa renirano no hanoavana izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT