Sosialy

Reniranon’Andrakaraka –Tolagnaro Maty avokoa ny hazandrano


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Zary lasa resa-be ary saika manerana ny tanànan’i Tolagnaro ny tranga misy ao an-drenivohitra Anosy.

 

 

 Tao anatin'ny andro nilatsahan'ny orana, maty avokoa ireo hazandrano ao amin'ny renirano Andrakaraka .Araka ny nambaran'ireo mpanjono sy ireo tompon-tany dia vokatry ny rano maloto aparitaky ny Rio tinto amin'ny renirano no nahatonga izany. Lany tamingana ny hazandrano. Tsy afa-manjono manao ny asany andavanandro ny mponina. Tezitra ny mponina ary nanao tatitra avy hatrany tamin'ireo manàmpahefana. Nanao toy izany koa ny Rio tinto nandresy lahatra ny maha tsy mîtombina ireo tsikera mavaivay. Ny an-kilany vahoaka miara-dia amin'ny depiote Jerry Hatrefindrazana manenjika mafy dia mafy ny Rio tinto niditra tamin'ireo onjam-peo misy ao an-toerana. Navaivay ny tsikera ary tsy hanaiky ny fahafatesan’ireo hazandrano ka miteraka fahasimban'ny asany ireo mpanjono Ny Rio tinto miezaka manazava sy manadio tena. Ny mahagaga  dia toa tsy mivaky loha manoloana iźao zava-misy izao ny ao amin'ny sampandraharam-paritra miandraikitra ny tontolo iainana

Onesime Michel

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT