Sosialy

Renirano ritra Atsimondrano no tena voa mafy


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

20% amin`ireo mponina ao amin` ny faritra Atsimondrano no misehatra amin`ny fambolena.

 

 

 

1 300 Ha ny lemaka ajariana hambolem-bary rehefa fahavaratra nefa amin`izao zara raha 1 200 Ha no ajariana. Ahiana no mety hisian` ny fihenan` ny voka-bary raha toa ka mbola hitohy ao anatin`ny 15 andro ny tsy fisian`ny orana, hoy ny solombavambahoaka voafidy ao amin`ity distrika ity. “Mafy ny zava-misy eny Atsimondrano. Ny orana no tsy misy. Ranon`Ikopa tsy misy intsony ka mijaly ny mpamboly. Ho an`ny voka-bary dia ho ratsy ny vokatra. Amin`izao dia mamboly vary tsaika no volena amin`izao ka miandry orana milatsaka ny mpamboly. Ireny anefa rehefa vokatra dia lasa akofa ny ankamaroany”, hoy izy. Nambarany hatrany fa tsy arotsadrotsaka fahatany ny orana artifisialy na dia efa nisy solombavambahoaka nangataka izany ho an`ny faritra misy azy tamin` ny taon-dasa fa misy fepetra arahina . Raha tsy feno izany dia very fotsiny ny vola, hoy ity depiote ity. Ankoatra ny mpamboly dia seha-pihariana maro no sahirana amin` ny faharitran`ny reniranon`i Sisaony sy Ikopa. Sahirana, araka izany, ireo vehivavy manasa lamba, mpanjono, mpanihaka, mpanarato, mpampiampita amin’ny lakana sy mpaka fasika ka mitaraina mafy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT