Sosialy

Renirano miha ritra Efa manana vahaolana amin’ny famatsian-drano ny Jirama


  • Talata 23 Novambra 2021

Vahaolana efa tena lavitr’ezaka no tanterahin’ny Jirama amin’ny alalan’ny famatsiana rano fisotro madio mivantana ny mponina rehefa miharitra tanteraka ny renirano.

 Ho an’ny station de traitement napetraka etsy Anosizato ohatra dia efa tena miakatra tanteraka ny loto avy ao amin’ny renirano ka ahiana hanimba ilay milina. Toraka izany koa ny eny amin’iny faritra Alasora sy Ampitatafika iny. Tsy maintsy manafatra citerne mamatsy rano ireo mponina tena sahirana araka izany ny Jirama. Indray mandeha na in-droa isan’andro no hanatontosan’izy ireo izany miankina amin’ny filan’ilay faritra hahafahana miady amin’ny tsy fisian-drano. Raha araka ny fantatra moa dia bombona miisa 180 no efa napetraky ny Jirama teto amin’ny faritra Antananarivo sy Analamanga hatramin’ny nisian’ny olana nateraky ny tsy fahampian-drano teto amintsika izay. Mamatsy olona an’aliny isan’andro izany ho enti-miady amin’ny tsy fahampian-drano.
Pati
Legende : Tahaka izao ny famatsiana rano ny mponina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT