Sosialy

Renim-pianakaviana eto Madagasikara Ny 43,9 % ihany no voatsabo ara-dalàna


  • Talata 10 Martsa 2020

Tsy misitraka fikarakarana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ny ankamaroan’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana eto amintsika.

 

 

 

Noho ny hasarotan’ny fiainana no mahatonga izany. Ho an’ireo hiteraka dia tsy vitsy ireo mbola mandeha amin’ny Reninjaza ary manao dokotera tenany na mitsabo tena amin’ny alalan’ny tambavy kosa ireo marary tsotra. Ny 43,9 %-n’ny reny na vehivavy ihany no misitraka fikarakarana eny anivon’ireny tobim-pahasalamana ireny, raha araka  ny antontan’isa navoakan’ny UNICEF. Niezaka ny nanatona ireo renim-pianakaviana vao tera-bao teny amin’ny pavaillon Sainte Fleure sy Befelatanana ny faran’ny herinandro teo ireo andriambavilanitry ny orinasa Star, nentiny nanamarihana ny datin’ny 8 martsa, andro maneran-tany ho an’ny vehivavy. Ho azy ireo mantsy dia manan-jo  ny hiteraka anaty fahamendrehana sy hahazo fikarakarana ny vehivavy noho izy ireny loharano nipoirana.  Miisa 200 ireo vehivavy nahazo tombontsoa tamin’izany izay sady notolorana rano voakarakara manokana anaty tavoahangy mba hanampiana azy ireo. Tao anatin’ny hafaliana no nandraisan’ireo vehivavy vao tera-bao izany, hetsika tafiditra ao anatin’ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona, hiantsorohan’ity orinasa iray ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT