Sosialy

RCTS Soavimasoandro Nizara akanjo 1,850 taonina ho an’olona 450 isa


  • Zoma 16 Jona 2023

Efa fanaon'ny klioban’ny baolina lavalava na rugby RCTS Soavimasoandro isan-taona ny mizara akanjo mafana ho

an'ireo ankizy sy mpilalao mpikambana, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. nontanterahina ny faran’ny herinandro teo izany ka niavaka kely tamin'ity taona ity, hoy ny fanazavana, satria tafakatra 1,850 taonina ny lamba nozaraina ho an'ireo mpikambana rehetra izay mitotaly 450 isa. Ahitana ny sokajy zandriny indrindra ka hatrany amin'ny sokajy zokiny na «senior» lahy sy vavy izany. Mitohy hatrany ny fitaizana sy fikolokoloana ny ankizy amin'ny alalan'ny «école de rugby» na sekolin’ny baolina lavalava ary ezahina ny hivelaran'izany amin'ny sehatra maro samihafa. Isaky ny alarobia hariva sy ny sabotsy maraina no fotoana fanaovana fanazarantena ho an'izany. Manomana mafy ny sokajy vehivavy izay ao anatin'ny «Top 5 fédérale» ary miandrandra vokatra amin'izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT