Sosialy

Razana hatao “autposie” Alefa eny amin’ny hopitaly Miaramila Soavinandriana


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Naato nanomboka ny 11 febroary lasa teo ny fanaovana “autopsie” ireo razana mandalo ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ka tokony hanaovana izany.

  

 

 Raha araka ny fanadihadiana natao anefa dia mahatratra 4 ka hatramin’ny 5 isan’andro ireo fianakavian’ny maty mitaky ny hanaovana izany ao an-toerana. Raha araka ny fanazavan’ny profesora Oliva, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity hopitalim-panjakana ity dia ho fampanarahan-dalàna no antony na ilay antsoina hoe : “sous controle judiciaire”. Ny didy hitsivolana avy amin’ny Fitsarana ihany, hoy izy  no afaka mampitsahatra ny fanapahan-kevitra ary hamerenana indray amin’ny laoniny ny fanaovana “autopsie” ao amin’ny hopitaly HJRA. Nomarihiny manokana fa afaka mandray ireo razana tokony hatao “autopsie” ny eny amin’ny hopitalin’ny miaramila eny Soavinandriana. Ho an’ny hopitaly HJRA izay tantanany manokana dia tsy handoavam-bola izy io. Tsy mbola fantatra ny hiverenan’ny fanaovana “autopsie” eny amin’ny HJRA.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT