RAZAFIMANDIMBY RIJA ETHEL

Midina ifotony manampy ireo sahirana


  • Alakamisy 17 Oktobra 2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

dia anisan’ny antony mahatonga izany fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny ka tsy hahafahana misakafo ara-dalana intsony. Na dia efa mikofona mikarama manasa lamba, mipasoka, matsaka rano aza mantsy ireo Renim-pianakaviana sasany dia mihitsoka daholo ihany koa ireto fidiram-bola ireto vokatry ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapan-drano lavareny vatsian’ny orinasa JIRAMA. Anisan’ny antony nanosika an-dRazafimandimy Rija Ethel hijery ireo tena sahirana teto an-drenivohitra izany afak’omaly Talata 15 Oktobra. Renim-pianakaviana mpanao asa soa ity Renim-pianakaviana ity raha tsiahivina no sady manam-piniavana ny hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fanasoavana ny mpiara-belona. Tokantrano miisa 150 no notsidihiny sy notolorany fanomezana tamin’ny alalan’ny valopy, hetsika izay mbola hitohy hatrany. Ireo Reny mananontena sy efa voky taona nefa tsy misy fidiram-bola no tena notsinjovina tamin’ity hetsika ity.
Pati
Legende : Nojereny manokana ireo Renim-pianakaviana tena sahirana teto !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT