Tsy niandry ela fa tonga nidodododo nankahery ireo naratra sy nitondra teny fampiononana ireo nanana ny namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana omaly tany Andranomena Arivonimamo ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.
Niara-dia tamin’izy ireo koa ny minisitry ny indostria Guy Rivo Randrianarisoa sy ireo parlemantera TIM. Tamin’izany no nitondran’izy ireo izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ny fianakavian’ireo naratra noho izao lozam-pifamoivoizana izao sy fao-dranomaso ho an’ny fianakavian’ireo maty tamin’ity loza ity, izay niisa 4, ka tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hitsaboana ireo maratra no nanaovana izany. Tsy misy azo hambara noho izao lozam-pifamoivoizana izao, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana afa-tsy ny tokony hitandreman’ny mpitatitra hatrany. Mila hentitra ihany koa ireo mpitantana ireny kaoperativam-pitaterana ireny amin’ny fitandroana ny ain’ny olona. Raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny fahitany ny datim-pifidianana filoham-pirenena efa nivoaka i Marc Ravalomanana dia nanambara fa tsy mifantoka amin’izany aloha ny sainy fa ny fiatrehana ireo niharan-doza aloha no mahamaika, hoy izy. Hetahetan’ny fianakavian’ireo niharam-boina ny hanamboarana ny lalan’i Manalalondo satria ny lalana ratsy ihany koa no fototry ny loza toy izao ho an’ireny kamiao mpitatitra olona ireny. Hojerentsika ny mahakasika ny fanamboaran-dalana, hoy kosa i Marc Ravalomanana nampanantena azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.