Sosialy

Rasoloniaina Miharisoa Hisahana ny zon’olombelona eo anivon’ny HAFARI


  • Zoma 28 Jona 2019

Tsy hisahana ny resaka zon’olombelona eo anivon’ny Hafari Malagasy intsony Rafanomezantsoa Jean Nirina filoha mpanorina.

 

Andraikitra hafa mihitsy no hosahaniny manomboka izao dia ny fiarovana ny zon’ny voafonja eto amintsika amin’ny alalan’ny famolavolana tolo-dalàna hoentina eny amin’ny Antenimieram-pirenena hanatsarana an’izany. Rasoloniaina Miharisoa no voatendry ho filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy hisahana ny zon’olombelona. Nilaza izy omaly teny Mamamba fa matoa misy ny fanovana dia hisy ihany koa ny fanatsarana entina hanomezana fahafaham-po ny mpiarabelona. Ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina kosa dia hahazo vahana ato ho ato ny fanatanterahana ilay tetikasa fananganana tanàna vaovao hiarahana amin’ny Ong Madasun  tarihan’ny injeniera mpikaroka Ramananarivo Olivier, hahafahana miady amin’ny fahantrana sy ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina hahafahana mamatsy ireo tanàna tsy mahazo herinaratra. Nasehon’izy ireo omaly teny Mamamba Ambohibao ireo fitaovana ilaina amin’ny famokarana angovo dia ny « Micro hydraulique autonome » izay ezahina haparitaka manerana ny Nosy. Ny rano hatreto no akora fototra hampiasain’izy ireo. « Raha tsy misy fahazavana tsy hisy fampandrosoana », hoy ity injeniera ityAny Morarano Gara Moramanga no hanehoany izany voalohany hamokarana 1200KVA  hahazoan’olona miisa 2.810 tombontsoa.

 

Pati/Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT