Sosialy

Raoul Arizaka Rabekoto Misokatra sy miasa miaraka amin’ny rehetra


  • Talata 10 Jolay 2018

Seminarista niaraka tamin-dry Mgr Jean Claude Randrianarisoa Evekan’i Miarinarivo sy ry Mgr Jean De Dieu Raoelison ny tale jeneralin’ny CNaPS Raoul Arizaka Rabekoto.

 Nisafidy ny ho laika anefa izy mba hahafahany manasoa ny mpiray tanindrazana aminy. Katolika hiringiriny ny lehilahy, nefa misokatra amin’ny rehetra ny tenany. Porofon’izany ny fiarahany miasa akaiky amin’ny filohan’ny FJKM ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, ka nifanaovan’ny roa tonta sonia ny 21 jona 2017 ny amin’ny handraisana an-tanana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny sahan’ny FJKM. Tsy sonia fe sonia no natao fa notanterahina avy hatrany ny asa mba tsy hahavery zo ny mpiasam-piangonana ka nisy ny fiofanana nomena ireo synodam-paritany manerana ny Nosy. Ny alakamisy 5 sy zoma 6 jolay lasa teo dia nahazo ny anjarany ny Synodam-paritany Mananjary Pangalanes izay Synodam-paritany faha-21 amin'ireo Synoda 36 misy eto an-toerana. Taorian'ny fotoam-bavaka fohy dia nanambara Atoa Rakotoariniaina Jakson Rolland, tompon'andraikitra mikasika ny CNaPS eo anivon'ny Foibe FJKM  fa :"tsy hijanona amin'ny fiofanana fotsiny ny atrikasa fa hijerena ihany koa ny zava-misy eny anivon'ny mpiasam-piangonana rehetra, hofantarina ny sakana amin'ny antony tsy fahantanterahana ny latsakemboka ka hifanakalo hevitra, hampahafantatra ny tokony hanajana ny zo ara-tsosialy ary koa hamerina indray ireo mpiasa sasany izay efa nisitraka ny zony kanefa tapaka noho ny antony samihafa”. Midadasika ny Synodam-paritany Mananjary Pangalanes satria ara-jeografika dia ny Distrikan' Ifanadiana, Distrikan'i Mananjary, mahazo ny tapany kely an’i Manakara ary ny Distrikan'i Nosy Varika no mandrafitra azy. « Tombony lehibe ho anay mpiasan'ny Fiangonana 297 ao anatin'ny Fitandremana 30 izao fidinana ifotony ataon'ny CNaPS foibe izao, satria maro aminay mpiasa ato no tsy mahalala akory hoe inona avy moa ireo zo fototra tokony hositrahinay amin'ny fidiranay CNaPS", hoy ny Mpitandrina Raveloarimanana Martin, Prezidà Synodaly FJKM Mananjary Pangalanes.

 

RTT

        

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT