Sosialy

Rantabe Maroantsetra Efa saika lanin’ny mponina ny henan’ilay fatin-drozona


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Tena sahirana ny olona ka tsy mifidy izay harapaka sy hohanina intsony na dia zavatra hahafaty azy aza.

Nahitana fatin-drozona indray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Rantabe Maroantsetraa, amin’ny sisin-dranomasin'i Rantohely, ny 23 Aogositra lasa teo. Diso tara loatra anefa ny nahitana izany ka rehefa tonga teny an-toerana ny zandary dia efa am-pahany tamin’ilay fatin-trozona sisa no tratran'izy ireo. Efa lasan'ireo mponina manodidina avokoa ny ankabeazany. Mbola betsaka koa anefa nandritra izany ireo vahoaka naka sy nijery ity fatin-drozona ity no sady nandidy hena . Norarana avy hatrany ireo olona ireo tsy haka ny henan'io biby io intsony. Nasaina nanajanona ny efa azony ihany koa ireo mbola tratra teny an-toerana. Nalevina niaraka tamin'ny fokonolona ny hena sisa tavela taorian’izany. Tsy mbola fantatra moa izay mety hahazo ireo mponina nihinana ity henan-troza efa maty ity. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny. Tsy fantatra rahateo na maty ara-dalana ity biby ity na narary.
Nangonin’i Pati
Legende : Niparitaka tahaka izao ny henan-trozona tao Rantabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT