Sosialy

Ranon’ny Jirama nalotobe Fantsona efa antitra no nahatonga azy


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Efa niverina amin’ny laoniny ankehitriny ny lokon’ny rano fisotro madio vatsian’ny orinasa JIRAMA eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha tena naloto be ny alatsinainy maraina teo.

 

 

 

  Raha ny fanadihadiana natao dia vokatry ny fanampian’ity orinasa ity ireo tokantrano tsy nahazo rano tamin’ny faritra maro no antony ka nikitihana ireo  karazana fantsona.  Misy amin’ireo fantsona no efa antitra ka mamoaka loto avy hatrany raha vao voakitika  izay misy fiantraikany avy hatrany any amin’ny rano mandeha amin’ny paompy mankany amin’ny isan-tokantrano. Ankoatra izay, somary miova loko hatrany ny rano rehefa miverina  raha vao misy fahatapahana amina toerana iray. Efa voavaha ny olana, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Ny hariva ihany dia efa niverina tamin’ny laoniny ary efa milamina avokoa ny isan-tokantrano. Saika niaina tamin’ny fividianana ireo rano voadio anaty tavoahangy sy ny fakana rano tany amin’ny  vovo  avokoa ny ankamaroan’ireo tokantrano voakasika tamin’io.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT