Feno ny kapoakan’ireo mponina eny Ambondrona, Faravohitra ambany ary Soarano noho ny fatapahan’ny ranon’ny JIRAMA sy ny haratsian’ny kalitaony efa nanomboka tamin’ny taona 2017 mandraka androany.
Nitroatra izy ireo vokatr’izany ary nidina nilanja sora-baventy teny Ambondrona ny Sabotsy teo naneho izay tsy fahafaliany izay. Raha araka ny fanazavan-dRakotoniriana Samila, solontenan’ny mponina mantsy dia manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 05 ora maraina ihany no mandeha ny rano eny amin’ireo faritra ireo isan’andro. Voatery mihari-tory avokoa ny mponina vokatr’izany ka tsy vitsy ireo lasa miakatra tosi-drà noho ny harerahana. Ny faktiora anefa raha ny fanazavany dia tsy miova ny vidin-drano aloha fa ny eo ihany no eo ary raha vantany vao tara kely ny fandoavana izany dia tapaka. Ankoatra izay hoy ity solontenan’ny mponina raha mandeha aza ny ranon’ny JIRAMA dia mbola misy fofona no sady maloto ihany koa hany ka tsy azo antoka intsony. Miantso ny filoham-pirenena mba hijery akaiky tranga iainan’izy ireo araka izany ireo mponina eny Ambondrona, Faravohitra ambany, Soarano… ireo. Voatery mividy bidon miloko mavo avokoa moa ireo mponina eny Ambondrona vokatr’izany. 3.000 Ar ny iray amin’izy ireny ka tsy maintsy manana bidon efatra ny tokantrano iray raha kely mba hahafahana maka rano any amin’ny toeran-kafa sy manangona izay tratra. Ho an’ny lamba maloto sy ny fidiovana kosa indray dia fantatra fa efa any amin’ny fianakaviany sisa izy ireo no manao izany noho ity rano vatsian’ny JIRAMA ity ihany. Raha ny fantatra moa dia efa nanazava ny mikasika ity tranga ity ihany ny JIRAMA saingy tsy mahafa-po ireo mponina izany. Noho ny toetr’andro sy ny olana ara-tsolika ary ny lafiny ara-teknika no nambaran’ity orinasa mpamatsy jiro sy rano ity fa anton’izany ary tsy mbola nisy ny vahaolana nentiny hatreto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.