Sosialy

Ranomasina avadika ho ranomamy Nahomby ny andrana tany Androy


  • Alatsinainy 23 Mey 2022

Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana ny andrana momba ny fikarohana namoronana fitaovana famadihana ny ranomasina na « déssalinisation »

ho lasa ranomamy, izay natao tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Erada Faritra Androy. Ny injeniera Avotriniaina Ravelo no nitondra izao voka-pikarohana izao any Androy.Voalaza fa nahitana vokatra avy hatrany ny andrana. « Araka ny vokatra hita sy ny filazan'ireo Vahoaka nisotro ilay vokatra azo dia tena mitovy amin'ny rano fampiasa andavan'andro ilay rano azo. Gaga sy talanjona izy ireo noho izany”, hoy hatrany ny tatitra. Nomarihina fa andrana no natao, ary mbola fitaovana kely no nampiasana ka kely araka izay ihany koa ny vokatra azo. “Ny tsy fahampian-drano no fototry ny olana (kere sy haintany) aty amin'ny Faritra Androy. Vonjy tavanandro Tompoko io fizarana vola sy sakafo ho an'ny Vahoaka aty Androy io. Miandrandra vahaolana maharitra (rano) avy amin'ny Fitondram-panjakana ny Vahoaka aty Androy”, hoy ny antso avon’ny olom-pirenena. Ary heverina fa anisan’izany ity famadihana ny ranomasina ho rano fisotro ity.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT