Sosialy

Ranom-boankazo, labiera, sigara Hisondro-bidy avokoa


  • Talata 03 Desambra 2019

Nakarina ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (droit d’accise na DA) amin’ireo entana fanjifa tahaka ny ranom-boankazo, ny labiera ary ny sigara.

 

 

 Ireo vokatra ireo izay tsy nahitana fiakarana « droit d’accise »  tanaty fotoana elaela. Ho an’ny haba alaina amin’ny ranom-boankazo dia 25 Ar isaky ny litatra ny DA ny taona 2005 ka nampiakarina ho 100 Ar isaky ny litatra izany amin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola (LFI 2020). Mahakasika ny labiera, raha 200 Ar izany tamin’ny taona 2005 dia nasondrotra ho 600 Ar isaky ny litatra ao anatin’ny LFI 2020. Eo amin’ny sigara kosa indray, 1180 Ar ny iray « cartouche » tamin’ny taona 2005 ka nakarina ho 1390 ariary ny DA ho an’ny sigara avy eto an-toerana raha 325% kosa ny avy any ivelany. Mahakasika ny haban-tseranana amin’ny fanafarana bolabolan-tsavony dia naverina ho 10% izany raha toa ka noheverina ho 20% tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola teo aloha. Tsiahivina fa ny lafiny sosialy no hisitraka ny ampahany betsaka indrindra amin’ny fandaniana ny volam-panjakana izay mahatratra 39,57%, aorian’izay ny fitantanan-draharaham-panjakana 37,27%, ny toekarena 21,07% ary ny tontolo iainana 2,10%  izay miova isan-taona arakaraky ny fanapahan-kevitry ny Governemanta. Andrasana ny fandaniana sy izay mety ho fanitsiana entin’ireo mpikambana amin’ny antenimierandoholona amin’ity LFI 2020 ity. Na tiana na tsy tiana kosa anefa dia tsy maintsy hisy ny fisondrotam-bidim-piainana indrindra ho an’ireo entana voakasiky ny fampiakarana DA ireo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT