Sosialy

Rano tapaka teny Ambohimiandra Vokatry ny fanarenana ny fantson-drano, hoy ny JIRAMA


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Tapaka ny famatsian-drano teny Ambohimiandra sy ny manodidina omaly talata nanomboka tamin’ny 03 ora folakandro.

 

 

 

Naharitra ora telo vao niverina ka maro ireo voatery nividy rano voavoatra tamin’ny tavoahangy na nandeha nilahatra paompy tany amin’ny toeran-kafa. Raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny orinasa JIRAMA dia vokatry ny asa fanarenana tsy maintsy natao tamin’ilay fantson-drano vaky teny an-toerana no antony nahatapaka ny famatsiana. Mampanantena izy ireo fa raha vao vita dia hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsiana rano. Tsiahivina moa fa ankoatra an’Ambohimiandra dia voakasika ihany koa ny tanànan’i Fenomanana, Ambohitsoa, Androndrabe, Androndrakely ary Ivanja.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT