Tena tsy nihemotra tokoa ireo mponin’Itaosy ny faran’ny herinandro teo fa nanatanteraka hetsika fanairana teny amin’ny siniben-drano teny Ambohidrapeto na dia tsy nilanja sorabaventy nitety tanàna aza ho fitandroana ny filaminana.
Nambaran-dRamananirina Patrick, solontenan’izy ireo tamin’izany fa mba efa nahitana mangirana kely aloha ny fahazoan’izy ireo ny ranon’ny JIRAMA tao anatin’ny telo andro izay. Mbola hangatahinay amin’ny JIRAMA hatrany ny hisian’ny vahaolana maharitra, hoy izy. Mbola betsaka amin’ireo faritra ao anatin’ireo kaominina fito eny Itaosy mantsy no tsy mahazo izany na dia efa milaha-drano andro aman’alina aza. Amin’ny 1 ora maraina hatrany ny rano amin’ny paompy vao mandeha ary fotoana vitsy monja aorian’izay dia tapaka indray. Nambaran’ny minisitry ny angovo Rasoloelison Lanto moa fa na dia heverin’ny sasany ho tany tsy misy tompon’andraikitra aza eto amintsika noho ny rivotra politika mitsoka dia tena mifanohitra tanteraka amin’izany ny zava-misy. Misy ny tompon’andraikitra, hoy izy ary anisan’izany ny tenany izay efa mitady vahaolana amin’ny famatsiana rano ireo faritra tsy mahazo izany. Nambarany fa hohampitomboina ireo kamiao mpamatsy rano ny mponin’Itaosy raha arahina fambolena fantson-drano vaovao mihitsy izany ho an’ny vahaolana maharitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.