Sosialy

Rano tapa-dava eto an-drenivohitra Eo am-pitadiavana vahaolana ny JIRAMA


  • Zoma 06 Desambra 2019

Nitondra fanazavana mahakasika ny rano tapa-dava eto an-drenivohitra omaly ny orinasa JIRAMA.

 

 

Nambarany fa eo am-pamaranana ilay asa fanamboarana fantsona manary rano, miainga eny Amoronankona mankany Ambohimahitsy izy ireo sy ilay  orinasa tsy miankina nahazo ny tolo-barotra avy amin'ny minisiteran'ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo amin’izao fotoana. Mbola tsy miasa araka ny tokony ho izy ny tobim-pamokarana sy fanadiovan-drano ao Amoronankona, izay hamatsy rano an'Ambohimangakely sy Ambohimahitsy ary hanatsara ny famatsiana ho an'ireo toerana sasany ao amin'ny boriborintany fahadimy. Hatramin'ny omaly dia mbola 64m3 isan'ora ny rano vokarin'ity toby ity, raha tokony ho 100m3 isan'ora. Izany dia noho ny tsy fahampian'ny tosika sy noho ny tsy fahatomombanan'ny fantsona mitondra rano eny Abohimahitsy. Hiakatra tsikelikely hanatratra ilay 100m3 isan'ora ity vokatra ity rehefa tomombana ireo fantsona mpitatitra rano mankeny amin'ny siniben-drano Ambohimahitsy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Izany rehetra izany moa no voalaza fa  mahatonga ny fahatapatapahan'ny famatsian-drano eny Ambohimangakely tato anatin'ny andro vitsivitsy izay. Efa mitady vahaolana ny JIRAMA toy ny fitadiavana tosika (pression) ambony sy fitosahana (débit) tsaratsara kokoa, amin'ireo tambajotra mpamatsy rano, hahafahana manao fitsinjarana ara-drariny ho an’ireo faritra mbola lasibatra toy izay efa natao  teny Andohalo. Misy ihany koa ireo fitsirihana rano ambanin'ny tany (forage) tanterahana eny Laniera, ho an'ny faritra Avaratr'Antananarivo, Ivato ho an'Avaratra Andrefana, Ambohijanaka ho an'ny faritra Atsimo ary Ambohidrapeto ho an'Andrefan'Antananarivo. 


                                                             

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT