Sosialy

Rano manodidina ny QMM Miakatra ny tahana uranium sy plomb


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Mampanahy fatratra ny famatsiana rano fisotro ho an’ireo mponina manodidina ny orinasam-pitrandrahana QMM, raha ny fampanenoana lakolosy nataon’ireo fiarahamonim-pirenena nanadihady momba azy io toy ny CRAAD-OI, FARM, Payez Ce Que Vous Payez Madagascar, OSC-IE, SIF, Collectif TANY.

Nanao antso avo moa izy ireo ny faran’ny herinandro teo ny amin’ny tokony hijerena famatsiana rano fisotro madio faran’izay maika ho an’ireo mponina any an-toerana. Miakatra ny tahana uranium sy plomb ho an’ity rano manodidina ny QMM ity kanefa dia eo amin’izany no hanovozan’ireo mponina manodidina rano fisotro. Avo 40 sy 50 heny amin’ny fenitra napetraky ny Sampan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS hamaritana ny atao hoe rano fisotro madio, noho izany, ny loto hita anatin’ity rano ity vokatra izay zava-misy izay. Ny 60%n’ireo mponina, hoy ny fanadihadiana nataon’ireto fiarahamonim-pirenena ireto no efa mahatsikaritra io fitotonganan’ny dion-drano io. 57%n’ireo mponina aza moa dia azo lazaina ho mivelona amin’izany rano izany mihitsy. Araka ny fanadihadiana PCQVP tontosa ny taona 2020 rahateo dia hita fa noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa momba ny rano ao an-toerana no maha voatery ireo mponina hanovo rano ho sotroina sy hampiasaina amin’ireo renirano sy farihy manodidina ny toeram-pitrandrahan’ity orinasa ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
(sary fanehoana)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT