Sosialy

Rano maloto eny Itaosy Cité Efa nosoloin’ny JIRAMA avokoa ireo fantsona


  • Alatsinainy 28 Janoary 2019

Rano maloto eny Itaosy Cité Efa nosoloin’ny JIRAMA avokoa ireo fantsona

 Efa nosoloin’ny Jirama avokoa ny ankamaroan’ireo fantsona mamatsy rano ny mponina eny amin’ny Cité des assureurs Itaosy, raha araka ny fanadihadiana natao. Ireo rano maloton’ny isan-tokantrano ihany mantsy izay nanaovan’izy ireo tatatra ary nifatratra tany amin’ny fantson’ny Jirama raha araka ny fanazavan’ny talen’ny serasera ao aminy no nahatonga ilay rano maloto ka avy hatrany dia nivadika ho rano misy loko sy fofona diky mihitsy no tonga tany an-tokantranon’ireo mpanjifa.  Ho an’ireo tsy afaka nafindra kosa anefa noho ny antony ara-teknika dia fantatra fa nangatahin’ny Jirama ireo mponina mamoaka rano maloto avy any an-trano ny hanaovan’izy ireo tatatra vaovao indray. Niarahan’ny Jirama niasa tamin’ny fokontany Cité des assureurs Itaosy sy ny kaominina Andranonahoatra moa izany asa izany, raha ny fantatra hatrany. Efa samy mahazo rano fisotro madio avokoa ny mponina eny amin’ny Cité Itaosy eny ary tsy nisy fitarainana  tonga intsony teo anivon’ny Jirama tato ho ato.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT