Sosialy

Rano maloto , diky miparitaka Manimba ny fahasalamana, mamono ireo ankizy latsaky ny 5 taona


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Ny 60 %-n’ny vatan’ireo ankizy latsaky ny dimy taona dia rano avokoa no mbola mandrafitra azy.

 

 Raha vao tratry ny aretim-pivalanana nateraky ny mikraoba tamin’ny tanana na entin’ny lalitra vokatry  ny diky miparitaka izy ireny dia zary very rano ka raha tsy voavonjy haingana dia mety hafoy hatramin’ny ainy.  Anisan’ny antony hivorian’ireo tompon’andraikitra eny ifotony teny amin’ny le pavé Antaninarenina ny fitadiavam-bahaolana mifandraika amin’izany, omaly, notronin’ny WSUP sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nivoitra nandritra izany ny fametrahana fotodrafitrasa  momba ny fanadiovana sy ny fidiovana ka anisan’ireny ny trano fivoahana, ny paompy fanovozana rano fisotro madio…. Tanjon’ny rehetra ny hahafahan’ny mponina miaina anaty tontolo madio lavitry ny aretina, indrindra amin’izao taon-jato faha-21 izao. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra nanome fanazavana omaly moa fa anisan’ny antony miteraka ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny dimy taona eto amintsika ny aretin-kibo ka ilana fandraisana andraikitra haingana ny ady hatao amin’ny loto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT