Sosialy

Rano fisotro madio, trano fivoahana Mbola tsy mamaly ny filan’ny rehetra, indrindra fa ny sembana


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Tsy mbola misitraka feno ny zony ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ny fahazoana rano fisotro madio, ny trano fivoahana ary ny fidiovana maro isan-karazany.

 

 

 

Ho an’ny rano fisotro madio ohatra dia vao ny 24 % monja no misitraka izany raha saika miaina amin’ny vovo sy ny loharano avokoa ny rehetra Ho an’ireo Reny mitondra vohoka ohatra dia mbola marobe ireo mandeha maka rano lavitry ny trano fonenany any ambanivohitra   izay mitaky toerana akaiky kokoa hanamorana ny fiterahany. Ho an’ireo olona manana fahasembanana indray dia any amin’ireo trano fandraisam-bahiny lehibe tokana irery ihany izy ireo no mahita trano fivoahana mety amin’ny toe-batany fa ny ankoatra izay dia atahorana handratra sy hampienjera azy avokoa.  Ho an’ireo olona manana olana ara-pahitana ohatra dia fantatra fa efa maro ireo latsaka tany an-davapiringa ny tongony… Manoloana io tranga io dia nikarakara atrikasa tetsy amin’ny motel Anosy omaly ny Water Aid niarahany tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny ministeran’ny rano, ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny ministeran’ny mponina. Tanjon’ny rehetra ny hitadiavana vahaolana mifandraika amin’izany ka hahafahana mandray an-tanana araka ny tokony ho izy ireo olona marefo sy manana fahasembanana eny anivon’ny fiaraha-monina. Nomarihin’ny dokotera Randriamananjara Odile, tompon’andraikitra eo anivon’ny Water Aid moa fa ny lalana eto amintsika hampiharana izany mihitsy no tokony hojerena akaiky raha toraka izany koa ny lafiny ara-teknika mikasika ireo foto-drafitrasa vao hatsangana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT