Sosialy

Rano fisotro madio Mponina 40 000 no hisitraka izany any atsimo


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Vita ny fantsona rano fisotro madio ka vahoaka miisa 30 000 no hisitraka mivantana ny fahazoana izany ireo olona 40 000 isa manodidina, avy ao amin’ny distrikan’i Beloha Androy sy Tsihombe.

 

 Tapitra ny vanim-potoan`ny orana, mandalo fotoan-tsarotra ny rano izao izay mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo any amin`iny faritra atsimo iny. An-kilometatra maro izy ireo vao mahita rano fisotro madio ka mety mahatratra 2 000 ariary ny iray “bidon”. Mifanandrify amin`ny filana tanteraka ny fahavitan’ny fantsona rano fisotro madio ho an`ny mponina. Kaominina enina  sy fokontany 21 no voakasik’ity tetikasa ity ka  ao amin`ny reniranon’Ampotaka no hisintomana ny rano. Tany an-toerana ny filohan`ny Repoblika Andry Rajoelina, ny masoivohon`i Japana sy ny mpiara-miombon`antoka nanatanteraka ny fitokanana. Nandritra ny lahateniny, nanao antso avo tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny filoha Rajoelina mba hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pandrosoana an’iny faritra iny. Anisany ny fanamboarana pipeline mirefy 140km izay hahazoan’olona miisa 100 000 tombontsoa mivantana. Eo ihany koa ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fandriampahalemana. Tao Ampotaka moa dia nanambara ny filoha fa hanorina efitrano fianarana ao an-toerana ny fitondram-panjakana ary nohamafisiny fa hanomboka amin’ity taona ity ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Ihosy sy Taolagnaro. Ny masoivoho japoney kosa dia nanamafy fa manohana ny fanjakana Malagasy mba hanavotana ny faritra Atsimo amin`ny lafiny rehetra ary hanohy hatrany ny fiaraha-miasany amin`i Madagasikara. Tafiditra ao anatin`ny asa fanarenana sy fiatrehana ny hain-tany any atsimon`ny nosy nanomboka ny taona 2016  ity tetikasa ity. Ny 44%-n`ny tetibola dia novatsian`ny Japoney, 56% kosa avy amin`ny fanjakana Malagasy, Amerikanina, Alemaina Britanika ary ny UNICEF. Teo anelanelan`ny taona 2016 sy 2018, manodidina ny 9 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nataon`ny Japoney mba hitsinjo manokana ny faritra Atsimo izay matetika miaina amin`ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra. Tamin`ny alalan’ny sampandraharaha miisa valo eo anivon`ny firenena mikambana no nitondrana ny fanampiana ny maha olona amin`ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-drafitra sy hametrahana fampandrosoana maharitra. Nisy ihany koa ny vola nitentina 2,6 tapitrisa dolara nanampiana nentina iadiana amin`ny tsy fanjarian-tsakafo. Notokanana ny sabotsy lasa teo ny fotodrafitrasa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT