Sosialy

Rano fisotro madio Mbola olana any amin’ny faritany


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ny 50%-n’ny Malagasy afaka dimy taona.

Tetikasa maro no efa an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana izao entina hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio toy ny atao etsy Amoronakona Ambohimangakely sy ny any Fianarantsoa. Raha ny any Mahajanga dia mbola olana ny fisitrahana ny rano fisotro madio. Mbola banga 5 280 m³ isan’andro ny rano novokarina tany nanomboka ny 20 jona lasa teo. Raha tsiahivina dia noho ny fahamaizan’ny paompin-drano lehibe 2 an’ny Jirama tany an-toerana no antony. Amin’izao fotoana izao dia eo amin’ny 3 000 m³ isan’andro eo  io fahabangana io. Efa vita andrana ara-teknika ary efa mihodina tsara mantsy ilay paompin-drano lehibe an’ny Jirama any an-toerana . Na izany aza anefa dia misy fokontany 10  no mbola mbola tena antin’ny olana amin’ny fahazoana rano fisotro madio. Efa misy ny vahaolana vonjimaika amin’ny alalan’ny fitsinjarana rano amin’ny alalan’ny Citerne  izay fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo. Anisan’ny fandaharan’asa amin’ny famatsiana rano ny mponin’i Mahajanga ihany koa ny fanitarana ilay tambajotra ho any Amborovy izay hatomboka ny fiandohan’ny taona 2020. Fa ankoatr’izay dia hamokatra rano hatramin’ny 3 480 m³ isan’andro ilay paompin-drano  any Toliara izay efa an-dalana ihany koa ny fametrahana azy amin’izao. Ho fanampin’izany dia hisy ny fandavahana lavadrano (forage) izay vinavinaina hatomboka ny volana oktobra ho avy izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT