Sosialy

Rano fisotro madio Mbola maro ny ezaka ho an’Atsimondrano


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Sarotra ny mahazo rano fisotro madio eny anivon’ny distrikan’Atsimondrano na dia kilometatra vitsy miala amin’ny renivohitra aza. Maro ny tantsaha kanefa misy ny tanimbary maina tahaka ny eny amin’ny faritra Amboanjobe izay mampihen-danja ny famokarana.

 

 

Efa misy anefa ny vahaolana fohy ezaka amin’izao fotoana izao, araka ny tatitry ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny  amin’ny fampidirana rano. Amin’ny faritr’Itaosy manokana iny izao dia nanambara ny tenany fa efa misy ny fandavahana na ny forage miisa 6 ao amin’ny kianjan’Antsahamasina izay ezahana hovitaina tanteraka afaka 1 volana sy tapany. Ireo izany aloha no ahafahana hamatsy rano an’Itaosy mandrapahavitan’ny vahaolana maharitra izay andrasana hatramin’ny volana desambra. Tahaka izany ihany koa, hisy ny faritr’Andoharanofotsy, Mahalavolona, Ambohijanaka izay efa hanaovana ezaka ihany koa ankehitriny. Misy ny fanaovana ny lakan-drano sy tohadrano hovitaina amin’ity taona ity izay voafaritra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana eny amin’ny faritra Ampanefy sy Soalandy izay ahafahana manondraka tanimbary ana hektara maro.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT