Sosialy

Rano fisotro madio Mbola betsaka ireo faritra tsy misitraka izany


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Mbola mihoatra ny 60 % ireo olona tsy misitraka rano fisotro madio eto amintsika, indrindra fa ny any amin’ny faritra ambanivohitra. Raha mahazo izany aza izy ireo dia amin’ny alalan’ny vovo sy ny rano mandeha ihany izay ahiana hitera-doza ho an’ny fahasalamana tokoa, indrindra fa ny ankizy madinika.

 

 

 Mba ho fanampiana azy ireny ary dia namatsy rano fisotro madio ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohimarina Itaosy, kaominina Ambavahaditokana  ny Rotary Club Mahamasina sy ny orinasa Star. Paompin-drano fisotro madio  manara-penitra no natsangana ka fianakaviana miisa 105, ahitana olona manodidina ny 400 isa no hahazo tombontsoa. Omaly zoma no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, natrehin’ny Ben’ny tanànan’Ambavahaditokana Atoa Ratinarivo Bruno. Nambaran’ity farany fa tena tombontsoa lehibe ho an’ireo mponina ao aminy tokoa ny fisian’ny fotodrafitrasa vaovao vao natsangana tahaka izao ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Mbola misy ihany mantsy hoy izy ireo fokontany tsy misitraka rano fisotro madio ao aminy na dia efa manao ezaka goavana aza ny kaominina. Tafiditra ao anatin’ilay fandaharan’asa fanatsarana ny sosialin’ny mponina hiandraiketan’ny Star izao hetsika izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT