Sosialy

Rano fisotro madio maimaimpoana Tokony hatao laharam-pahamehana, hoy i José Bandy Akama


  • Talata 02 Aprily 2019

Ao anatin’ny fiomanana ny fiatrehana ny fifidianana ho solombavambahoaka isika izao. Efa mihetsiketsika araka izay tratrany ireo kandida hifaninana. Ao ireo efa nanara-maso ny fiainan’ny mponina teny amin’ny distrika ilatsahany.

 

 Ao kosa ireo izao vao mba mahatsiaro ny vahoaka, raha ny fanazavan’ny kandida laharana fahavalo ao amin’ny boriborintany faharoa, José Christian Rafidison na José Bandy akama moa no ahafantaran’ireo mpiray fikambanana aminy sy ireo mpiara-monina aminy azy. Ny asa fanaovan-dalàna sy ny fijerena ny fiainan’ny mponina, hoy izy, dia tsy afa-misaraka. Tsy maintsy jerena ny maha olona eo amin’ny fiarahamonina. Be dia be ny tanora tsy an’asa, ankizy tsy miditra an-tsekoly, ny olana ara-pitsaboana ary sahirana vao mahazo rano fisotro madio ny mponina ety aminay na dia akaiky an’i Mandroseza aza. Anisan’ny hiadiako ny hisiana lalàna ahafahan’ireo mponina mahazo rano fisotro madio maimaimpoana satria tokony atao laharam-pahamehana izany. Tokony ho maimaimpoana sy tsy maintsy atao koa ny fampidirana ny zaza 4 taona an-tsekoly ary ny saram-pitsaboana, hoy hatrany i José Bandy akama.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT