Sosialy

Rano fisotro madio Hidina ho 20 Ar ny bidon 20 litatra


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Mbola vao ny 35 %-n’ny mponina eto amintsika no misitraka rano fisoro madio raha betsaka. Ho an’ny mponin’Antananarivo renivohitra manokana dia mbola maro no tsy mañana izany ao an-tokantranony fa milaha-drano eny amin’ny paompy.

 

 

Ho fitsinjovana azy ireny indrindra dia napetraka omaly ilay opération Avotr’aina, hamatsiana rano ny mponin’Antananarivo amin’ny Vidy mirary. Hatomboka amin’ny volana jolay ho avy izao izany ka ilay vidin-drano 50 Ar teo aloha ny iray bidón 20 litatra dia hahena ho 20 Ar izany. Hametrahana toerana fanasan-tanana ihany koa eny amin’ireo toerana fivezivezen’ny olona maro toy ny eny an-tsena…Ny UNICEF sy ny kaominina Antananarivo renivohitra ary ny Ministeran’ny rano no hifanome tanana amin’izany. Faritra telo moa no hisitraka ity tetikasa ity. Ankoatra an’Antananarivo dia hahazo tombony ihany koa ny ao Toamasina sy Moramanga.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT