Sosialy

Rano fisotro madio Fokontany 31 hametrahana ny “Water Service Point”


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Ny « Water Service Point » dia fepetra iray natao hanampiana ny vahoaka amin` izao fahamehana ara-pahasalamana ho an` ny rano fisotro madio sy fanasana tanana.

 

 

 

 

Noho ny fiarahamiasa amin` ny UNICEF dia fokontany miisa 31 no hisitraka rano fisotro madio vokatry io tetikasa io. Ny rano mantsy dia tena ilaina indrindra amin` izao fiparitahan` ny aretina COVID-19 izao. Ankehitriny, sisiben-drano maherin` ny 120 isa no efa mamatsy ireo toerana sarotra hisitrahana rano ka ny orinasa JIRAMA no misahana ny faninjarana an` ireo sinibe ireo. Tanjona dia ho fanatsarana ny tolotra ataon` ny JIRAMA ho an` ny mpanjifany ary fisorohana ny vanim-potoanan` ny main-tany (période d` étiage). Toy izany ihany koa ny fepetra noraisina eo anivon` ireo “bornes fontaines » izay marihana fa tsy tokony hisy fisondrotam-bidy eny amin` izy ireny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT