Sosialy

Rano fisotro madio, fanadiovana ary fidiovana Tsy maintsy mila famatsiam-bola avy any ivelany


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Hiatrika ny fihaonambe maneran-tany momba ny rano fisotro madio sy fidiovana any Costa Rica amin’ ny volana aprily ho avy izao ny minisiteran’ny rano hitondra ny fandaharan’asa PSEH na tetikasa momba ny fanadiovana,

 

 

 

 rano fisotro madio ary fidiovana ho antsika  eto Madagasikara mba hankatoavina mandritra ny fihaonambe. Araka ny nambaran’ny minisitry ny rano, Roland Ravatomanga, sambany ho an’i Madagasikara no nahazo ny fandarahan’asa. Efa nisy ny atrikasa isam-paritra nentina namolavolana azy io ary mila mametraka paikady goavana (programme sectoriel) ho an’ny rano sy fidiovana ary fanadiovana eto Madagasikara. Tsy mbola manana drafitra isika eto Madagasikara ka napetraky ny minisitra ho laharam-pahamehana ho an’ny sehatra iray ho fanatanterahana sahady ny dingana lehibe indrindra hitantanana minisitera iray. Efa vita daholo ny « forum » tany amin’ ny faritra, telo sy efatra  mba tsy handaniana vola be loatra ary efa nisy ny dingana lehibe vita teo aloha tamina tetikasa hafa toy ny BPOR (Budget de Programme Objectif  Révisionnel) Ny fandravonana izany  sy fametrahana fomba fijery itovizan’ny rehetra no ilaina amin’ny « programme sectoriel ». Nohamafisin’ny minisitra Roland Ravatomanga fa io no paikady eken’izao tontolo izao , mpamatsy vola sy mpiara miombon’antoka ary ilaina sy tsy maintsy tanterahina raha te hahazo fanampiana. Tsy ampy mantsy ny famatsiam-bola momba ny rano fisotro madio sy fanadiovana eto Madagasikara ka ity fandarahan’asa PSEH ity no hikarohana famatsiam-bola avy any ivelany. Tsy ampy ny tetibola entina manatanteraka ny tetik asa rehetra amin’ny fanadiovana sy fidiovana izay miankina amin’ny fanjakana, hany ka voatery mitady famatsiam-bola izay tsy hindramina kosa fa angatahina satria fanampiana ara-tsosialy. Io paikady lehibe io no entina miady amin’ny fihaonambe ara tampony mba anehoana ny dingana vita eto Madagasikara.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT