Rano fisotro madio eny Namehana

Manala fahasahiranana ny mponina ny paompy "ALFA"


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Olana efa hatramin'ny volana martsa ny resaka rano fisotro madio ho ana tokantrano maro eny Sabotsy Namehana.

Sady efa mandoa vola no mbola voatery mandeha 500 m any an-dohasaha ny olona matsaka rano. Ny paompy iombonana indray, amin'ny 1 ora maraina dia efa filaharam-be. Reraka ny mponina. Ho fanampiana azy ireo sy hitondrana vahaolana maharitra dia nanamboatra fotodrafitrasa momba ny rano fisotro madio ny fikambanana "ALFA dingan-dava" , tarihin'i Razafindratsimba Alain Pierre . Mivoha amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 11 ora atoandro, ary amin'ny 3 ora tolakandro ka hatramin'ny 6 ora hariva ny paompin-drano ALFA, 200 ariary ny iray bidon. Nanamboatra toeram-patsakana lehibe any an-dohasaha ny fikambanana. Misy milina sy motera mipaompy ny rano miakatra any an-tanàna sy mizara izany amin'ireo "borne fontaine" avy eo. Nisy ihany koa ireo mponina nangataka fanampiana mba itarihana rano isan-tokantrano, dia natao izany hoy ny filohan'ny fikambanana.Santatra am-bavarano ihany ity ao Namehana ity fa mbola hahazo fotodrafitrasa momba ny rano tahaka izao avokoa ireo fokontany 17 ao amin'ny kaominina Sabotsy Namehana . Tena manampy anay ary manala fahasahiranana tokoa ny fisian'ny paompy Alfa eto an-tanàna satria sady tsy reraka no tsy lany fotoana kanefa mahazo rano fisotro madio izahay hoy ny mponina.
Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT