Sosialy

Rano fisotro madio Distrika 30 telopolo mahery hahazo fampitaovana


  • Alarobia 17 Jona 2020

Mampanahy tokoa ny lafin` ny rano eto amintsika satria tsy misitraka rano fisotro madio ny 75%n` ny Malagasy. Raha ny tatitra avy amin` ny Water Aid, Malagasy 16 tapitrisa no tsy misitraka izany.

 

 

 

 Maro rahateo ny distrika manerana ny nosy no nijaly rano nandritry ny fotoana maharitra satria tsy ampy ny fampitaovana maharitra ho amin’izany kanefa ny isan’ny mponina sy ny tanan-dehibe dia nitombo hatrany. Nanapa-kevitra moa ny fitondram-panjakana fa hanao fampitaovana amin’ny distrika mihoatra ny telopolo amin’ny àlalan’ny asa fanorenana na fanitarana foto-drafitr’asa na fampitaovana ireo forages efa vita na fanatsarana ny fitsinjarana ny rano fisotro madio any amin’ny mponina any. Marihana fa tanjona napetraka amin` ny taona 2030 ny fampandrosoana lovainjafy ka mitaky ezaka ny fanatrarana izany. Noho izany, ilaina no mitsinjo ny famatsian-drano fisotro sy ny tetikasa momba ny fahadiovana sy fidiovana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT