Sosialy

Rano fisotro madio Distrika 16 no hisitraka famatsiana


  • Zoma 24 Mey 2019

Nampitomboina 56 miliara ariary ny tetibola famatsiana rano fisotro madio ary olona 1,5 tapitrisa no hisitraka izany nmialoha ny faran`ny taona.

 

 

 

Nivoaka tamin`ny fampahafantarana nandritra ny filankevitry ny minisitra tany Antsiranana ny alarobia lasa teo io. Filankevitry ny minisitra voalohany no tanterahina ivelan`Antananarivo. Distrika 16 amin`ireo 119 no voakasiky ny tetikasa rano fisotro madio toy ny any Mitsinjo, Ambalavao, Ambanja, Ambatoboeny, Ambatolampy, Ambilobe, Antalaha, Belo Tsiribihina, Mahabo, Mahanoro, Mananjary, Marovoay, Moramanga, Nosy-Be, Sainte-Marie ary Vohemar. Ny 13,5% ny vahoaka Malagasy ankehitriny no fantatra fa misitraka rano fisotro madio. Nisongadina tamin`ny fampahafantarana ity filankevitry ny minisitra ihany ity koa fa hisy dinika nasionaly  mikasika ny fitaovam-piadiana simika, biolojika ary nokleary izay hatao eto Antananarivo ny 5 sy 6 jona ho avy izao, araka ny “resolution” 1543/2004 avy tamin` ny Vondrona Iraisam-pirenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT