Sosialy

Rano be eny Besarety Vokatry ny vatokely sy tany manentsina tatatra


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Na dia efa nanao izay ho afany nanadio ny tata-drano teny Besarety sy ny manodidina aza ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Boriborintany fahatelo tamin’ny faran’ny taona 2018 dia mbola manana olana hatrany izy ireo ny amin’ny fiakaran’ny rano.

 

 

Vokatr’ilay ora-mikija niseho teto an-drenivohitra ny alakamisy lasa teo mantsy dia tsentsin’ny vatokely sy ny tany daholo indray ny tata-drano eny Besarety sy ny manodidina, antony nampiakatra be ny rano teny amin’ny arabe omaly maraina.  Ho ana  trano fandraisam-bahiny iray eny an-toerana  izay efa nodiovina tanteraka ny tao ambaniny  raha ny fanazavan’ny  lehiben’ny Boriborintany fahatelo ary antonona olona mijoro dia tsy antonona afa-tsy tanana sisa ankehitriny vokatr’izay fahatsentsemany izay. Na izany aza, hoy ity tompon’andraikitra iray ity dia hiezaka ny Boriborintany fahatelo sy ny kaominina hitady vahaolana maharitra mifandraika amin’izany. Mikasika ireo sarona dalle bangabanga eny an-toerana sy ireo nikisaka noho ny ranon’orana dia hiezaka hijery akaiky izany ihany koa izy ireo ho fiarovana ireo ankizy avy mirava mianatra sy ireo efa zokinjokiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT