Sosialy

Rano 1 bidon miloko mavo Tsy tokony hihoatra ny 50 Ar ny vidiny eny am-potony


  • Talata 23 Novambra 2021

Betsaka ireo olona manararaotra ny amin’ny tsy fisian-drano vokatry ny haintany amin’izao ka manao izany ho lasa bizina.

 Nanambara ampahibemaso anefa ny JIRAMA omaly fa tsy tokony hihoatra ny 50 Ar ny vidin’ny rano iray bidon 20 litatra miloko mavo miala eny am-potony. Tokony ho 100 Ar araka izany ny vidin-drano 1 bidon tonga any an-trano raha misy olona mpatsaka… Ho an’iny faritra Andranonahoatra Itaosy iny anefa dia efa mahatrata 200 na 300 Ar ny vidin’ny rano iray bidon miloko mavo tonga any an-tokantranon’ny tsirairay avy. Tafakatra 600 Ar mihitsy izany ho an’ireo manana fiara mitatitra izany mankany amin’ny faritra misy azy ka tafiditra ao anatiny ny vidin-tsolika sy ny karaman’ireo mpampiakatra sy mpampidina rano. Na izany aza anefa dia miantso ny rehetra hatrany ny JIRAMA fa tsy tokony hihoatra ny 50 Ar ny hamarotan’ny olona ny rano iray bidon miloko mavo 20 litatra miala eny am-potony.
Pati
Legende : Tsy tokony hihoatra ny 100 Ar tonga any an-trano ny vidin’ny rano iray bidon miloko mavo 20 litatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT