Sosialy

Randrianaivo Eric “Fandresena ho an’ny Malagasy no azo teny Ambohitrimanjaka”


  • Zoma 19 Jona 2020

Tsy ho an’ny mponin’Ambohitrimanjaka irery fa ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra mihitsy hoy Randrianaivo Eric, mpitondra tenin’ireo mponina eny

 

Ambohitrimanjaka ny fandresena azo tamin’ilay fampiaton’ny fanjakana ilay tetikasa tanamasoandro nokasaina hanotofana tanimbary mamelona fianakaviana 9.000 eny amin’iny faritra iny. Rehefa vakoka mantsy dia vakoka hoy izy ary an’ny Malagasy rehetra fa tsy an’olon-tokana izay mamaritra ny maha-izy azy ny hasin’ny tanana iray. Manana ny maha-izy azy sy ny tantarany Ambohitrimanjaka raha ny nambarany ary tsy navelan’Andriamanitra ho irery izy ireo tamin’ny ady natrehiny. Nisaotra an’Andriamanitra manokana Randrianaivo Erci noho izany. Nisaotra ny mponin’Ambohitrimanjaka sy ireo mpiara-nitolona rehetra ihany koa izy, indrindra fa ireo mpanao gazety nanao ny ainy tsy ho zavatra namoaka sy nivoy ity vaovao momba an’Ambohitrimanjaka ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT