Sosialy

Randrana sendikaly “Tsy mila kandida tsy hijery sosialin’ny mpiasa”


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Nihazakazaka ny Randrana sendikaly vao naheno hoe hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny fitondram-panjakana nijery hoe inona no tena maika, indrindra, aty amin’ny sehatra tsy miankina,

hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Ny sosialy voalohany aty amin’ny sehatra tsy miankina, hoy izy, dia ny CNAPS. Eo koa ny resaka fahasalamana misy ny “service médicale inter-entreprise”. Ireo no rafitra 2 ngeza be kitihina vao mikitika sosialy eto Madagasikara. Tsy azo atao tsinontsinona ny mpiasa aty amin’ny sehatra tsy miankina raha ny resaka isa fotsiny aloha satria ny mpikamban’ny CNAPS fotsiny no efa manodidina ny 800.000 isa. Mbola be dia be anefa ny voalazan’ny tale jeneralin’ny CNAPS teo aloha ilay niditra am-ponja vonjimaika iny ny orinasa tsy manara-dalana, izany hoe tsy mampiditra ny mpiasany anaty rafitra sosialy. Tantely afa-drakotra izao ny CNAPS. Tsy misy fiverenany aty amin’ny mpiasa mihitsy nefa misy tanan’ny fanjakana anaty fitantanana azy. Miafina anaty lalana ny mpitondra sasany anatin’ilay tsy fahaiza-mitantana dia ny mpisotro ronono lasa misotra tangena. Tsy zarizary ny sosialin’ny mpiasa toy ny resaka tambiny hiatrehana loza na volan’ny bevohoka. Andrasan’ny mpiasa izany ny fanavaozana ny lalan’ny asa satria io foana no lazain’ny mpiasan’ny CNAPS fa tsy hahafahana manatsara ny rehetra ao. Izay mpitondra nifandimby rehetra teo tsy nikitika io lalana io mihitsy nefa afaka raisina isam-bolana izany fiahiana sosialy izany. 2013 sy 2016 no nisy fikitihana kely andininy. Tokony fanavaozana tanteraka mihitsy anefa izao no atao. Ny 2010 efa nisy izay fanavaozana izay saika natao fa niantona tao amin’ny governemanta, izany hoe fanjakana. Ny fanjakana mihitsy izany no manakana ilay fanavaozana. Toy izany koa ny resaka fiahiana ara-pahasalamana satria lazain’ny mpampiasa hoe fisorohana na “prevention” no anjaran-drizareo dia na mpiasa tokony hiditra hopitaly aza dia ‘’paracetamol” ihany no omena azy. Te haka ny fon’ny tsy miankina ny filoham-pirenena satria akaiky ny fifidianana ary dia miteny mihitsy izahay hoe tsy mila kandida tsy hijery sosialin’ny mpiasa izahay! Ny mampiavaka azy indrindra moa dia ny karama ka raha tsy hitazona ny karama 250.000 Ariary ny fanjakana fa hampidina hoe 238.000 dia tsy mijery sosialin’ny mpiasa izy izany. Mila hatsaraina ny resaka fiahiana sosialy, fahasalama ary karaman’ny mpiasa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT