Randrana sendikaly

«Tsy mijery mihitsy ny mahazo ny mpiasa malagasy ny fanjakàna»


  • Alarobia 27 Novambra 2024

Tena voasarona ao anaty propagandy sy fifidianana ankehitriny ny sosialim-bahoaka sy ny tontolon’ny asa,

hoy ny Randrana sendikaly. Izahay eto anivon’ny Randrana sendikaly kosa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, dia tena mitety faritra mihitsy amin’izao fotoana izao mijery hoe manao ahoana ny fiainan’ny mpiasa eto amin’ity Madagasikara ity? Efa fantatra ny paikady fa ny fanontaniana mipetraka izany izao dia hoe inona no fomba hanambarana hery hahafahana manery ny fitondram-panjakàna hamaha ny olana mianjady amin’ireo mpiasa ireo, hoy izy? Ilaina ny manery ny fitondram-panjakàna amin’ny alalan’ny minisiteran’ny asa hoe jereo itony sehatra itony fa izao izany dia lasa very an-javony fotsiny ireny fisoloan-tenan’ny mpiasa anaty rafitra ireny? Lasa niaina tanatin’ireny hoe lalàna efa lany daty no nanendrena ireo mpisolotenan’ny mpiasa dia any daholo nefa ny fitarainan’ny mpiasa rehetra momba ny fiainana ara-tsosialin-drizareo. Na ny resaka fahasalamana izany na ny resaka CNaPs sy ny tahaka izany. Izay daholo izany no olana any dia hoe ny tena tanjaky ny mpampiasa izay eo noho eo dia mahavita mandroaka. Indray andro ianao no tsy tonga niasa fa niera am-bava dia tsy eken-drizareo ilay fiherana am-bava dia roahiny ilay olona. Izany no fiainana amin’izao satria hoe be dia be no te hiditra rehefa te hivoaka ialahy isany! Tsy mahateny ny tompon’ny orinasa ny fanjakàna satria hoe namany dia tsy mijery mihitsy hoe manao ahoana ny mahazo ny mpiasa malagasy. Tsy mijery mihitsy ny mahazo ny mpiasa malagasy ny fanjakàna, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT