Randrana sendikaly

«Tsy manana vahaolana intsony izany ny fanjakana»


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Tsy ny mpiasa mandray karama isam-bolana intsony izao no tonga mitaraina eto anivon’ny

Randrana sendikaly, hoy ity sendika ity, fa ilay mpiasa tenany mihitsy koa izany izao efa mihazakazaka daholo ny amin’ny hoe izahay ve izany dia tsy mba jerenareo? Miheritreritra, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga, izany ny olona fa aty amin’ny Randrana sendikaly no vahaolana manoloana izao toe-draharaha izao. Manana vahaolana tokoa, hoy izy, ny Randrana sendikaly saingy ny fitondram-panjakana no manana ny fahefana. Ny filoham-pirenena mbola lasa nijery kilalao. Mbola manao fitsidihana any ivelany. Ny governemanta nefa eto tsy mitsangana. Tsy manana vahaolana intsony izany ny fanjakana raha ny fijery azy izao. Raha alaintsika sary an-tsaina fotsiny hoe 6 taona tsy niova ny filoham-pirenena, tsy niova ny praiminisitra, dia tsy ahita olona miisa 30 ve, raha ohatra ataontsika hoe 30 no ho raisina minisitra ao anatina vahoaka miisa 30 tapitrisa? Matoa hoe mbola hiandry sy hiheritreritra dia tsy manana paikady matotra fa andrakandrana daholo nefa ny fotoana mandeha. Voaporofo izany izao fa tsy mazava mihitsy ny paikadim-pampandrosoana, indrindra, ny fitsinjovana ny mpiasa eto Madagasikara amin’izao. Tsy misy zavatra azo ianteherana izany fa dia hoe inona indray izany no ho nofinofy andrasantsika amin’ny fiverenan’ny prezida aorian’io izy mandeha mitsangatsangana any ivelany io? Izay no nahatonga anay Randrana sendikaly hoe andao havaozina ny tolona! Andao sokafana amin’ny mpiasa rehetra mahatsapa hoe mamelon-tena fa tsy ny mpiasa mandray volana isam-bolana irery ihany. Ny mpanety izao manena ny saran’ny fanetezany. 3000 Ariary nahena ho 2000. Misy aza efa manao 1500 raha manao olon-dehibe izao. Izany hoe mijaly, mbola ampian’ilay hoe tapaka ny jiro. Ny mpanefy vy na mpanao «soudure» moa izany dia efa isan’andro no mitabataba. Adin’ny 3, adin’ny 4, tapaka. Misy ny mba miharitra hoe andao amin’ny alina vao hiasa nefa iny koa mbola misy ihany ny fahatapahana amin’ny 1 maraina na hatramin’ny 4 maraina. Ny orinasa moa dia minainaina mihitsy. Ireny Cybercafé sy ny rehetra ireny minainaina daholo. Ny fitaovana potika. Fahampotehan’ny mpiasa any an-tranony any. Izay mba télé kely ananany na vata fampangatsiahana keliny dia potika. Efa hatramin’ny 1 may ny Randrana sendikaly no niteny hoe ny jiro tapaka, ny rano ritra, ny vidim-piainana midangana. Ny karama amin’izao lasa mihena satria rehefa tapaka ny jiro dia tsy mandoa an’iny karamanao tsy niasa iny ny orinasa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT