Sosialy

Randrana sendikaly “Notoherin’ny minisitry ny asa ny sonia nataony”


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.

Ny an’ny tsy miankina niandry teo. Nitady teny hanazavana iny 250.000 Ariary iny kay ny fanjakana. Jereo tsara hoe may, jona, jolay, izany hoe, 3 volana vao nivoaka ny didim-panjakana. 2 volana taorian’izay indray vao nivoaka ny didim-pitondrana. 5 volana taty aoriana izany vao nisy fisondrotan-karama taty amin’ny sehatra tsy miankina. Midika izany fa tsy narahan’ireo orinasa iny didim-pitondrana iny na nosoniavina minisitra miisa 3 aza. Ny minisitry ny asa moa nilaza hoe tsy misy karama midina. Notoheriny izany ny sonia nataony ny 31 septambra. Ilay didim-panjakana ny 21 jolay izany no nivoaka. Ilay 626 iny izany no manan-kery sy tokony hampiharina. Vao midina izany io karama io dia hanao fitoriana toy ny nataonay tamin’ny herintaona izahay. Fitoriana faobe hitambarana isaky ny orinasa. Hain’ny fanjakana sy mpampiasa tsara ny dikan’izany hoe fitakiana hitambarambe. Ny andininy faha 209 ao amin’ny fehezan-dalana sy ny tontolony dia tsy olana mihitsy na fitokonana aza no hiafaran’io rehefa hita hoe famotehana ny mpiasa malagasy aty amin’ny sehatra tsy miankina izany fampihenana karama izany. Tsy niakatra izany 238.000 Ariary izany satria ny didim-pitondrana tamin’ny 31 septambra dia nilaza fa 250.000 Ariary ny karama farany ambany, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT