Sosialy

Randrana sendikaly Mila olana ny fisitrahana fisotroan-dronono


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Maro, farany teo ireo mpisotro ronono nihazakazaka nila vonjy tamin’ny sendika, hoy ny avy eo anivon’ny Randrana sendikaly. Isany nahagaga izany hoe izy ireo manana olana daholo, hoy ity sendika ity.

Vao avy nanasonia ny fandaharan’asan’ny firenena ho an’ny asa mendrika I Madagasikara. Hiditra amin’ny dingana faharoa isika noho izany amin’ilay fandaharan’asa. Izay no ilazanay hoe tandindomin-doza ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Tsy latsaky ny 30 isa ireo mpisotro ronono tonga manatona anay amin’izao fotoana izao ilazana amintsika fa manomboka betsaka izy ireo no naheno ireny tam tam nataonay ireny. Nisy atrikasa niarahana tamin-drizareo ary manomana drafidrasa kely izahay hiatrehana ny 2022. Olona efa 60 sy maherin’izany daholo tsinona ry zareo no mbola ampilaharina maraina mandra-pahariva andro rehefa haka fisotroan-dronono ary raha tsy mahazo amin’iny dia miverina indray ny ampitso. Lasa tsy ronono intsony no sotroin’ny retirety aty Madagasikara fa tangena, hoy ireo raiamandreny ireo. Misy fitantanana tsy mazava tsara amin’ny resaka kajim-bola nefa tsy ohatran’io ny CNAPS raha tsy ireo raiamandreny ireo. Aza angalarina ny volan’ny mpiasa! Ny mpiasa manana olana. Ny mpisotro ronono koa. Ny mpiasan’ny CNAPS koa aza tonga ao aminay mitaraina ho manana olana koa. Mila mandray fepetra ny tomponandraikitra rehetra satria miha mavesatra ny olan’ny mpiasa, hoy hatrany izy ireo. Miisa 15.000 moa ireo mpikamban’ny Randrana sendikaly manerana ny nosy, raha ny voambara hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT