Sosialy

Randrana sendikaly Miandry ny CIPRES hitsirika ny CNaPS


  • Alakamisy 02 Jona 2022

Sahirana ankehitriny ireo mpikambana miisa 800.000 ao amin’ny CNaPS, noho ny tsy fahaiza-mitantana ao, hoy ny Randrana sendikaly. Saika hitondra vahaolana isika,

hoy ny sekretera jeneraly, Barson Rakotomanga, farany teo fa nanidy varavarana moa ny mpitantana ny CNaPS fa hoe mivory. Efa nilaza izahay hoe hisy ny filankevitry ny CIPRES na “Conférence Interafricaine de la Prévoyance Sociale” ho atao any Genève manomboka anio (TTF: omaly 1 jona). Niteny isika hoe ahoana no hifanazavana anatin’io sehatra io? Hatramin’ny taona 2016 izay nidirantsika tao amin’ny CIPRES dia niha ratsy ny fitantanana ny CNaPS nefa isan’ny fitsipika iray ao anatin’ny CIPRES ny fisiana fitantanana mitovy sy tokony fanaovana fanadihadiana. Nanao fitsirihana tany Togo, Niger, Cote d’Ivoire ny “inspecteur regional” an’ny CIPRES izay misahana ny fiahiana sosialy ny taona 2021. Niha ratsy ny fitantanana ny CNaPS eto nefa toy ny mahazo sitraka na “label” indray izy ireo. Izany hoe diso ny tatitra tonga any. Nandefa taratasy any moa izahay hanazavana ny tena zava-misy ary nandefasana toy izany koa ireo rafitra eto amin’ny firenena. Ny andrasana moa dia hoe ho tafita any amin’ity rafitra iraisampirenena ity ny hafatra. Faharoa, misy fitsipi-pifehezana ao ahafahan-drizareo manao fitsirihana eto. Misy fitakiana karazany 7 any, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Barson Rakotomanga
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT