Randrana sendikaly

“Mahafantatra ny vary mangatsiaka rehetra io minisitry ny asa vaovao io”


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Fantatry ny Randrana sendikaly tsara io minisitry ny asa sy asam-panjakana vaovao io,

hoy ny Randrana sendikaly naneho ny heviny mikasika ny minisitra Hanitra Fitiavana Razakaboana. Tonga amin’ilay fiteny mahazatra hoe “promotion interne” na efa tao ihany io, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga. Nandritry ny fanjakana teo aloha izy no efa niandraikitra ny fitantanana ankapobeny ny faritra Analamanga teo amin’ny lafiny asa ary efa niandraikitra ny maha tale jeneralin’ny asa teo anivon’io minisitera io. Miditra amina fanjakana vaovao indray moa izany izao dia izy no lasa minisitra. Tsy vaovao amin’ny tontolon’ny asa izy izany fa tena mahafantatra hoe manao ahoana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara? Ny fotoam-piasana teo aloha moa hoe tsy tena nifantoka tamin’ny sosialy fa izao vao hifantoka bebe kokoa. Ny minisitra izany izao no “Dah mama” na hoe “tompon’ny lakle” satria izy mahafantatra tsara ny tontolon’ny asa, ny olan’ny mpiasa, ny paikady rehetra tokony entina hanatsarana ny tontolon’ny asa. Fantany tsara fa misy ireo vary mangatsiaka natomboka tamin’ny fotoan’androny teo aloha fa tsy vita hatramin’ny farany daholo. Raha tena vonona sy sahy hitady vokatra anaty fotoana fohy izy izany dia izay no hihazakazahany voalohany satria mahafantatra ny vary mangatsiaka rehetra io minisitry ny asa vaovao io izay tsy vita tanatin’ny 5 taona. Voalohany indrindra ny sata mifehy ny asa na “code du travail”. Efa eken’ny rehetra tsinona fa tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara. 3 taona no namolavolana ireny tao. Toy izany koa ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana na “statut des agents publiques”. Tokony ho voavaha anaty 6 volana izany miaraka amin’ny sata mifehy ny fiahiana sosialy na “code de prévoyance social” sy ny momba ny CNaPs. Eo koa ny mikasika ny karama. Nidina teny amin’ny toeram-piasana izy tamin’ny fotoan’androny. Nahita hoe manao ahoana ny fahorian’ny mpiasa amin’izao andro izao. Tsaroany ny tsikera mamaivay natao taminy mikasika ny tsilalaonteny momba an’io ka mazava izany izao fa tsy tokony ho lalaovina intsony izany, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT