Sosialy

Randrana sendikaly Ho avy eny amin’ny CNaPS indray anio


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Ho avy eny amin’ny CNaPS ny randrana sendikaly ao anatin’ny SVS sy ny USAM anio 14 aogositra hitondra ireo sonia 10 000 mahery voaangon’izy ireo, raha ny fanambarana omaly.

 

 

 

Voalaza fa miombon-kevitra amin’izy ireo ny FISEMARE; Fampidiran-kizo ny mpiasa io. Vola tsy haverina, ary vola naloa tamin’ny alalan’ny karama no takiana, hoy i Barson Rakotomanga isan’ireo mpitarika sendikaly. Didy jadona, ary tsy nohenoina ny soso-kevitry ny solontenan’ny mpiasa izay nivoaka tamin’ny fivorian’ny Filankevi-pitantanana, hoy hatrany ireo sendikalista. Tokony naverina niadian-kevitra mba ho ny mpikambana rehetra tao anatin’ny Filankevi-pitantanana vao nalefa tany amin’ny Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy, ny minisitry ny vola, ny governemanta,… hoy hatrany i Barson Rakotomanga. Matoa tsy natao io dia didy jadona, famonoana ny mpiasa. Aza atao ankilabao ny mpiasan’ny tsy miankina, hoy izy ireo. Nampitaina any amin’ny firaisamonim-pirenena sy ny sehatry miady amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Tsy mikitikitika ny vola fisotroan-dronono mihitsy io, fa vola tombony, raha ny fanazavana. Mbola mihenjan-droa aloha ny tady hatreto eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Vao tsy ela no nihazo ny CNaPS ireo mpandeha mpitarika sendika, saingy mpitandro filaminana no niandry azy ireo, ka asa izay ho fisehony anio.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT