Sosialy

Randrana sendikaly “Hitokona mandra-pahatongan’ny vola any am-paosiny ny mpiasa”


  • Talata 24 Aogositra 2021

Tsy vao anio ny Randrana sendikaly no niresaka ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana anabakabaka eto Madagasikara na ACM,

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo Barison Rakotomanga, tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany etsy Tsimbazaza omaly. Tadidintsika ny hetsika nataonay nandritry ny fitantanan’ny minisitra teo aloha, hoy ny Randrana. Tamin’izany no hoe inona no fepetra raisina ho fanavotana? Nitsangana tamin’izay ny komity ho fanokafana ny lanitra. Tsy hita ilay izy. Nisy amin’izao fotoana izao ilay tsy mbola fandraisan-karaman’izy ireo ka antony tsy maintsy nanaovana fitokonana. Tokony tamin’ny alakamisy izahay no efa nitokona. Niavaka ny fitokonana tamin’ity satria ny minisitra mihitsy no tonga taty. Izao angamba vao tena fantatry ny mpitondra fa olana goavana ny ato amin’ny ACM. Ny resaka karama dia efa namolavola soson-kevitra ny taty amin’ny fitantanana ankapobeny sy ny mpiasa. Efa nisy ny dingana natao rehetra fa tsy tonga tany amin’ny tanjona. Mandeha ankehitriny ny dingana hahazoana ny karaman’ny mpiasa mbola tsy voaray. Sarotra ny tonga dia hino hoe 100%. Mbola tsy an-tanan’ny mpiasa ilay izy. Zava-dehibe na izany aza ny fahatongavan’ny minisitra eto satria dia midika hoe milamina aloha ny mikasika ny karama mandra-pahatonga ny faran’ny taona. Fohy ezaka izay. Faharoa ny paikady mikasika ny fanarenana sy famerenana ny ACM amin’ny sehatra efa nisy azy teto anivon’I Afrika manontolo. Ny lavitra ezaka izay voizinay foana kosa dia ny fisokafan’ny lanitr’I Gasikara. Efa voizin-drizareo eo anivon’ny UCTM na ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany koa io. Tokony hafainganina ny fanokafana ny lanitra satria miankina amin’izany ny fampandehanana ny fitanterana rehetra. Ao ny Air Madagascar, ny Sofitrans, ny Tsaradia sy ny rehetra. Ny vakisiny rahateo efa voizintsika rehetra. Mbola hitokona anefa ny mpiasa mandra-pahatonga ny vola any am-paosin’izy ireo. Mila fanarenana fa potika ny ACM, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT