Randrana sendikaly

«Fandanindaniam-poanan’ny CNaPs ireny miantso «influenceurs» 14 ireny»


  • Talata 01 Jolay 2025

Malaza ankehitriny ny resaka ilontsaina artifisialy na «intelligence artificiel»,

hoy ny Randrana sendikaly. Samy te ho any amin’izay daholo ny rehetra, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Nakàna «influenceur» na mpanjono anaty tambazotran-tserasera miisa 14 ny an’ny CNaPs, hoy izy. Nanantena ny mpiasa hoe hisy fiantraikany aty amin’ny mpiasa iny fandaniana volabe natao teny amin’ny Novotel Alarobia iny. Tsara ny fanentanana mifanaraka amin’ny toetr’andro saingy ilay natao izany dia hoe hisarika ny mpampiasa handoa latsak’emboka izany. Adidin’ny mpampiasa nefa ny mandoa izany. Matoa izy naka ilay 1% an’ny mpiasa dia tehiriziny any iny 3 volana, iny ampiany ilay 13% avy eo tokony alohany any amin’ny CNaPs. Efa mampiasa ny volan’ny mpiasa izy izany. Alainy ilay 1%. Alainy koa ny volana faharoa. Tehiriziny any aminy any. Toy izany koa ny volana faha 3. Any amin’ny volana faha 4 izy vao mandrotsaka any amin’ny CNaPs. Efa nampiasainy tao izany ny volan’ny mpiasa. Raha mpiasa vitsivitsy mety tsy hita fa raha mpiasa aman’arivony, hita izany. Halatra mahazo alalana izany satria tsy misy tombony mankaty amin’ny mpiasa. Ilay zon’ny mpiasa avy eo tsy alohany dia mbola izy indray no hanaovana Tam tam be sy fandanindaniam-poana toy ireny. Tokony tonga mirotsaka any amin’ny kaontiny ny volan-jazan’ny mpiasa fa tsy hoe mbola alefanao any am-piasana any dia sahirana ny any am-piasana dia mbola ampiasainy koa ny volan-jazan’olona. Raha tsy mandrotsaka ilay latsakemboka ilay mpampiasa ka efa mpikambana tao ilay mpiasa dia tsy tokony ho tapahan’ny CNaPs ny zon’ilay mpiasa rehetra. Fandanindaniam-poanan’ny CNaPs ireny miantso «influenceurs» 14 ireny. Manao ezaka, hono, izao ny fanjakàna amin’ny fanitarana ny sosialin’ny mpiasa dia milaza ny minisitra hoe matoky ny CNaPs izahay hanampy ny fanjakàna. Tsy misy volan’ny fanjakàna na ny Ariary aza ao amin’ny CNaPs. Tsy anjaran’ny CNaPs no manampy ny fanjakàna fa ny fanjakàna aza no tokony hanampy ny CNaPs. Miseho hatrany izany ny hoe itsabahan’ny fanjakàna ny fitantanana ny volan’ny CNaPs. Io izao ilay hoe nomena 50.000 Ariary indray ny zokiolona. Tsara! Fa maninona no atao 50.000 indray mandeha toy izany? Nomena ny zokiolona in-dray mandeha ve izany ilay 10 Dolara notakian’ny Randrana sendikaly tokony ho an’olona iray isan’andro? Inona izany no asan’ireo solontenan’ny mpiasa miisa 8 anaty filankevim-pitantanan’ny CNaPs? Ho tapitra amin’ny septambra ny fotoam-piasan’ireo. «Dérogation» na fanendrena no nametrahana an’ireo tamin’ny 2022. Inona indray no hametrahana ny manaraka eo? Sa tsy kitihina mihitsy ireo satria tsy manontany hoe aiza ilay 11 miliara Ariary nindramina tary amin’ny SMGD? Tsy manontany hoe aiza ny tany amin’ny Air Mad na hoe firy ny mpiasa nisitraka ilay vola tamin’ny COVID na ohatrinona ny vola lany tamin’izany? Firy ny mpiasa namerina ilay vola hoe nosamborina? Miara-minono ao fotsiny ve ireo 8 mianadahy ireo dia manaiky hoe izay no fanapahan-kevitry ny fanjakàna? Efa tokony handray isam-bolana ny zokiolona ary terena andoha latsakemboka ny mpampiasa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT