Sosialy

Randrana sendikaly «Efa mieritreritra hiverina ho mpandraharaha ve ny filoha?»


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Rehefa navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny hoe 238.000 Ariary aloha ny karama farany ambany dia tadidio fa tsy mbola didy fampiharana iny fa fitanana an-tsoratra, hoy ny Randrana sendikaly.

Ifampiresahana amin’ny mpampiasa izany ny fampiasana an’iny, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Misy moa orinasa efa nampihatra hatramin’ny volana janoary. Tokony mbola hisy didim-panjakana na didim-pitondrana hahafahana mampihatra izany mivoaka anefa aloha. Ny nantenain’ny rehetra dia hoe na tsy midina ny 250.000 Ariary na miakatra. Efa ela ny Randrana sendikaly no nitaky sy nanontany hoe inona no tian’ny fitondrana ahatongavana? Mibaribary izy ankehitriny. Niala ny sarotava maha filoham-pirenena ny filoham-pirenena aty amin’ny faraparan’ny taom-piasany. Nosoratany tao anatin’ilay tatitry ny filankevitry ny minisitra fa nifampiresahan-drizareo sy ny mpampiasa ary nasongadiny tsara hoe GEM, FIVMPAMA, SIM, GFP ny fanaovana io 238.000 Ariary io. Efa miheritreritra ny hiverina ho mpandraharaha ve ny filoham-pirenena raha tsy ho lany eo intsony ka aleo aloha dien’izao dia efa karakaraina izany? Tsy voaresaka tao anaty tatitry ny filankevitry ny minisitra ny fifampidihana sosialy niarahana tamin’ny mpiasa. Nanontany mpikamban’ny CNT na «Conseil national du travail» maromaro izahay fa tsy nandalo tao io 238.000 Ariary io. Izay no ilazana fa tsy nipetraka amin’ny maha filoham-pirenena natao hitsinjo ny tontolon’ny asa azy ny filoham-pirenena fa nijanona amin’ny maha mpampiasa sy mpandraharaha ara-toekarena azy. Ny tena zava-doza dia tonga dia nilatsaka ny didy jadona hoe 238.000 Ariary tonga dia mihatra. Mbola nitsahana koa izany ilay dinika sosialy na «dialogue social» voizina eran’izao tontolo izao ary andrin’ny atao hoe asa mendrika. Izany no mahatonga anay mahitsy milaza hoe tsy misy asa mendrika eto Madagasikara ary tsy antenaina izany satria tsy misy voahajan’ny fanjakana ny andrin’izany rehetra amin’izao fotoana izao. Aiza ny famoronana asa? Aiza ny fanajana ny lalàna iraisampirenena? Any Genève izany ny Randrana sendikaly no hifanatrika amin’ny fanjakana malagasy amin’ny 6 jona, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT