Randrana sendikaly

«Aty amintsika mpiasa izao ny vahaolana.»


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Poretina fotsiny ny mpiasa amin’izao fotoana izao, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana

sendikaly, Barson Rakotomanga. Tsy vao androany izany, hoy izy, fa na tamin’ny andron’ny COVID ireny aza dia mamoritra fotsiny ny fanjakàna hoe mihena ny ora iasana, trosainareo ny volan’ny CNaPs nefa volanao ihany. Tsy mahagaga izany raha ho amin’ny amin’izao hoe tsy manana vahaolana ny fanjakàna. Ny antsoavo amintsika rehetra dia hoe antsoina isika rehetra hitambatra hitondra vahaolana satria miainga aty amintsika vahoaka izany ny vahaolana. Aty amintsika mpiasa izao ny vahaolana. Izany no nahatonga ny Randrana sendikaly miaraka amin’ny KIMM mampiaka-peo hoe hanao fihaonambe isika ka tsy isika mpiasa irery ihany fa izay manana olana amin’ny jiro sy rano, olana amin’ny lalana satria minainaina be koa izao ny mpampiasa lalana fa potika ny lalana. Mivarotra kamiao daholo ny mpitatitra satria tsy maharaka ny fikojakojana, potika noho ny lalana ratsy. Fahoriana ara-tsosialy sy ara-toekarena izany izao no misy. Krizy mihitsy izany izao satria tsy manana vahaolana ny fanjakàna. Na ny governemanta aza moa tsy misy. Na ny rafitra aza izany izao eto amintsika tsy misy vahaolana. Na ny tena paikady mazava tsy misy vahaolana dia eto isika. Ny farany hifanaikitra eto isika mpiasa dia izay no mahatonga ny hoe aleo aloha isika mpiasa manambatra ny hery na mpiasa raikitra ianao na mpiasa isam-bolana ianao na miasa tena dia andao aloha hihaona. Tokony ho ny 7 septambra izao no fihaonambe dia eo isika mamolavola vahaolana ho atolotra ny fanjakàna. Tsy eo anivon’ny fanjakàna irery ihany nefa ny famahana olana fa eo anivon’ireo mpiara-miombon’antoka koa satria ny 70%n’ny volam-panjakàna dia avy amin’ny fanampiana sy hataka etsy sy eroa. Tomponandraikitra anatin’izao fahavoazana ara-toekarena sy sosialin’ny firenena izao koa izany ny mpiara-miombon’antoka, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT